Olom-pirenena iray tafahaona tamin’ny Tia Tanindrazana (TT) Atoa Randriamampandry Adolphe. Mendri-piderana ny fihetsiny sahy nijoro vavolombelona tamin’ny teti-dratsy sy herisetran’ny fifidianana ary namoaka tsiambaratelo mety tsy mbola fantatry ny besinimaro momba ny asan-dahalo.
TT : Mankasitraka amin'ny fijoroanao vavolombelona tompoko ny gazety TT. Ny mombamomba anao ?
RA : Randriamampandry Adolphe no anarako. Lefitra voalohan’ny kaominina ambanivohitra ambaratonga faharoa Delta, distrika Belo Tsiribihina ny tenako ary mpampianatra any amin'ny lycée sady mpandraharaha koa.
TT : Inona no Antony hijoroanao vavolombelona ?
RA : Mila mahalala ny marina ny mpiray tanindrazana ka toy izao ny fifidianana tany aminay. Tsarahotana, Masoarivo ary Berevo. Tamin'ny propagandy dia nandalo tamin'ireo toerana ireo i Lylison sy Faharo ka nandrahona fa raha tsy 13 no lany aty dia iverenanay ianareo.
TT : Ratsy tokoa izany tranga izany ary endrika fampihorohorona. Inona no fiantraikany ?
RA : Eny, natahotra ny mponina sady saron’ny afisin’ny 13 ny tanàna. Ny an'i Dada indray dia vitsy ary misy mandrovitra hatrany ka nanapa-kevitra ny tenako hanamboatra. "Entsaky dahalo Filio i Dada dia nasiana sary ilay misy azy miasa tanimbary. "Tsy vitan’ny vahoaka no matahotra satria miady amin’ny dahalo fa misy mandrahona hatrany ny K25 ka dia nisy namono izy ny farany (Alawi no resako eto). Izahay tompon'omby dia milaza fa raha mbola asiana puce izany dia mamono ny tompony. Tsy ho zaka intsony satria efa henjana ny hetra, ny fiompiana azy ireo koa manahirana, Vao mainka moa fa fiambenana azy ireo. Mamono omby ny “puce” ka tsy ilaina. Tsy mendrika hitohy izao fa noana ny vahoaka.
TT : Miresaka dahalo isika, hahaliana ny mpamaky ny hahalala ny dahalo. Manan-kolazaina ve ianao ?
RA : Sahiko ny milaza fa ny jona 2009 no nisokatra ny vavahadin'i Lucifer. Iza no nanakatra izany ? Fanahy ratsy ny dahalo fa tsy olona ary manana ody. Tatahany ny sandriny na tanana na ny feny. Avy eo izy mampiditra ny ody anatin'ny rantsany, Eo amin'io fotoana io vao lasa dahalo ny olona iray. Tsy olona io fa fanahy ratsy. Ny fomba atao raha miady amin'ny dahalo dia hosorana tay ny bala sy basy. Io no ody amin'ny dahalo. Tena asa miady amin'ny devoly ary marihiko fa tsy misy dahalo voatifitra ka ho faty eo no ho eo satria mafy aina izy ireny ka vao lavo dia misy namany manapaka ny rantsany misy ilay ody. Mpanao ady kanosa ny dahalo satria miafina, mitifitra akaiky ireo mba angalana ny “douille” ary tsy mipoitra raha tsy voan'ny kendrena. Ny any Miandrivazo dia mpanakandalana ireo dahalo ary tsy misy mampiasa ny lalana satria tsy misy te hamono tena. Ny sécurité routière anefa tamin’ny 2002-2009 milamina tsara.
TT : Mampiasa basy izany ny dahalo ?
RA : Eny, ary tsy vitan'ny mampiasa fa mahay manamboatra bala koa. Amboariny ny douille dia maharitra in-dimy eo ny fampiasany azy, 12-16 ny basy, “fusil de chasse” ka izay no tsy hitiavan'ny dahalo mampiasa kalach satria tsy azo amboarina ny douille ary koa vao manana kalach ny dahalo iray dia tsy lavitra amin'izay ny miaramila tafika.
TT : Mankasitraka indrindra nety natao ITW
RA : Ny TT no isaorana, sahy mijoro ho an'ny tanindrazana
Tia Tanindrazana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.