Any Ivelany

Hemerson Andrianetrazafy “Nanindry ny 2020 ny fonjan’ny fanatontoloana”


  • Alakamisy 31 Desambra 2020

Taona maozatra ho an’ny rehetra ny 2020, hoy ny mpahay tantara sy vakoka,

 

 

 

Hemerson Andrianetrazafy, noho ny areti-mifindra sy ny vokany ara-pahasalamana sy ara-toekarena fa mitory ihany koa ny mamparefo ny zanak'olombelona manoloana ny fahamaroan’ny olona diso tafahoatra, ny maha mora ny fahafahana mivezivezy ary ny fivangongoana an-tanan-dehibe. Tsy mirindra intsony ny kolontsaina hifandraisan'ny olombelona amin’ny mpiara-monina aminy ka varotra sy rafitra no mifehy azy sisa. Miely haingana ilay aretina fa ny lanjan'ny serasera voizin'ny haino aman-jery koa manindry dia manindry. Nisy ny pesta, cholera, Chikungunia sy ny sisa taloha fa tsy mbola nisy fampiakoana azy toa izao. Mampitombo ny tahotra sy ny horohoro io. Isika eto Madagasikara aza mba misy hidin-trano voajanahary amin'ny maha nosy antsika nefa na dia izany aza manindry foana ny fonjan'ny fanantontoloana. Raha atao bango tokana dia taona maty ho an’ny rehetra ny 2020, saingy taona tokony hisainana momba ny ampitso tiantsika ho rafetina. Eran'izao tontolo izao izao mizotra amin'ny vina hitantanana ny "vita covid" fa isika mbola tara foana amin'ny vidim-bary iray kapoaka. Omeo ny anjarany ny kibo fa asio hasina ny saina! Ny endrika ivelany sy ny ankosotra no mahamay antsika fa ny fanomezana hasina azy efa ela no nampamangy. Mampalahelo kely ny mahita olona am-polony mivorivory mankalaza ny andro iraisampirenena ho an’ny vakoka sy ny haren-tsaina nefa izany tokony ho fikolo miaty amintsika. Izaho aloha tsy hitsahatra ny hanabe sy hampianatra fa ny anao no tsy haiko amin’io 2021 io, hoy hatrany izy.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT