Any Ivelany

Harinkarena Amerikana Nidina 0,5%


  • Alatsinainy 14 Janoary 2019

Tsy mitovy hevitra ny antenimieran-doholona sy ny kongresy amerikana ny amin’ny teti-bola fampandehanan-draharaha indrindra manoloana ny tetikasan’ny filoham-pirenena Donald Trump ny hananganana ny rindrim-be manasaraka an’i Etazonia sy Meksika.

 

 

 Efa handray 23 andro anio io olana antsoin’izy ireo hoe “shutdown” io izay tamin’ity indray mitoraka ity  vao naharitra ela tahaka izao. Miziriziry ny tsy fandaniana ny lalàna ny kongresy satria  ny demokraty  no maro an’isa ;kanefa ny filoham-pirenena amerikana Donald Trump dia repoblikana. Vokatr’izany dia mpiasam-panjakana miisa 800 000 no nalefa hiala sasatra tsy fidiny (congé forcé) ary tsy mandray karama noho ny tsy fahalanian’ny lalàn’ny teti-bola. Araka izany dia maro ireo fanjakana federaly ao Etazonia efa manomboka iharan’ olana ary hita  ho mandringa mihitsy ny asam-panjakana. Betsaka ihany koa ny voka-dratsy ara-toekarena tahaka ny fihenan’ny fahefa-mividy, fampiasana ireo tahiry kanefa hita ho kahihitra ihany koa na dia manao izany aza. Vokatr’izany rehetra izany Ankoatr’izay dia nisy akony ratsy amin’ny fizahan-tany sy ny rafitra ara-bola ihany koa io olana io ary tena nampidina ny harinkarena faobe an’ny amerikana ho 0,5% mihitsy.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Hitsahatra ny adin’i Etazonia-Iran
  • Zoma 19 Jona 2026

Misento tokana izao tontolo izao saingy…

  • Raim-pianakaviana
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy nanefa volan-jaza

  • Toe-draharaha iraisam-pirenena
  • Alakamisy 21 Mey 2026

Manamafy ny fifandraisany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

Hijery ny tohiny
FTT