Fantatra nanomboka omaly alakamisy 21 jona fa afaka mandeha amin'izay ny orinasan-tserasera MBS (Malagasy Broadcasting System), araka ny didy navoakan'ny filankevi-panjakana na ny “conseil d’Etat”.
Miverina azo ampiasaina indray ny fahazoan-dalana miasa. 3 taona teo no efa teny amin’ny filankevi-panjakana ny dosie MBS, saingy izao vao nivoaka ny didy, izay tsy fantatra mazava ny antony nampitarazoka azy. Niezaka mafy ny fanjakana tetezamita ary nitohy tamin’ny fanjakana HVM tamin’ny fanakanana ny MBS. Nilaza i Guy Laurent Ramanakamonjy, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny serasera tany amin’ny volana aprily 2017, izay mbola mitazona io toerana io amin’izao fa tsy azo eritreretina intsony ny fanokafana ny MBS satria orinasa efa nofoanana io ary tsy misy intsony. Vita aloha iny ny raharaham-pitsarana ary nahazo rariny ny MBS. Efa eo an-dalam-panarenana raha araka ny fantatra ny foiben’ny MBS eny Anosipatrana ary miezaka ny mpitantana ny hamerina amin’ny laoniny ny fampandehanana ity orinasan-tserasera izay sokajiana ho anisan’ny goavana eto Madagasikara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.