Any Ivelany

Gidragidran’i Etazonia sy Iran Miha-mahazo aina i Sina


  • Talata 07 Janoary 2020

Miha manankarena hatrany i Sina ary niakatra hatrany ny harinkarena faobeny (PIB). Efa nahatratra 14 217 miliara dolara ny PIB an’i Sina tamin’ny efa-bolana voalohan’ny taona 2019 raha 13 407 miliara dolara izany ny taona 2018.

 

Amin’ity taona 2020 ity dia efa mety hanafosao ny 20 000 miliara dolara izany. Efa novinavinaina mihitsy aza moa fa hisongona ny Amerikanina ny Sinoa tamin’iny taona lasa iny ary mandray ity taona vaovao ity. Tsy maintsy misy akony amin’ny toekaren’i Etazonia ihany koa mantsy izao disadisa amin’i Iran izao satria misy amin’ireo firenena manana solika sasany ireo no efa manome tsiny ary nilaza fa tsy rariny ny nataon’ny Filoha amerikana Donald Trump tamin’ny namonoany ny Jeneraly Soleimani. Mijery mitazan-davitra fotsiny izany rehetra izany aloha ankehitriny ny sinoa ary tsy hipetrapetraka fotsiny fa tsy maintsy hanararaotra amin’ny fanaingana haingana ny toekareny  izy indrindra amin’izao zava-misy mbola tsy maintsy hifatohan’I Etazonia izao. Ankoatran’ ny fahamoran’ny fidirana amin’ny tontolon’ny asa sy ny fitomboan’ny Indostria mamokatra any an-toerana dia miezaka be Sina amin’izao fotoana izao amin’ny tsena anatiny kanefa tsy mamotsotra ihany koa ireo firenena efa fanondranany. Tsiahivina fa namaivay ny Ady ara-barotr’i Etazonia sy Sina tamin’ny taona lasa iny ary hatreto ary dia mbola misy zavatra tsy hifanarahana mihitsy. Anisan’izany ohatra ny nahalasa 20% monja ny tahan’ny fanondranan’entan’ny firenena Sinoa mankany Amerika noho ny fampiakarana ny hetran’ny fadin-tseranana izay mbola levon’ny vavonin’ny Sinoa mihitsy. Hisy fiantraikany maro ary hiteraka fifaninanana be amin’ireo firenena manankarena aorian’i Etazonia ity disadisa amin’i Iran ity

Tsirinasolo

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

Hijery ny tohiny
FTT