Any Ivelany

Gidragidra atsy Afrika Atsimo Tafiakatra 200 ireo voasambotra


  • Alakamisy 05 Septambra 2019

Mitohy ny gidragidra atsy Afrika Atsimo noho ny hetsika fankahalana ireo teratany vahiny.

 

 

Nanomboka ny alahady lasa teo ny fandrobana sy ny fandorana maro samihafa taorian’ny fahafatesana olona miisa telo tao anatin’ny fahamaizana tsy misy fanazavana mazava. Anisan’ny kendrena manokana ny Nizerianina. Ambany loatra ny karama amin’ireo orinasa vahiny, kanefa ny vahoaka Afrikanina Tatsimo noana. Efa roa taona izay no niadian-kevitra tamin’ny mpitondra sy ny mpampiasa, saingy tsy nisy vahaolana, hoy ny mpitarika sendika sasany. Maro amin’ireo mpitarika sendika any an-toerana anefa no mihataka amin’io hetsika io ary manameloka ny herisetra. Tafiakatra 5 ny maty, ary 200 any ho any ny voasambotra nanomboka ny alahady lasa teo. Niely ny vaovao fa namaly bontana ny Nizerianina ka raikitra ihany koa ny fandorana orinasa Afrikanina Tatsimo. Tsy marina anefa izany fa fiaramanidina efa may tamin’ny oktobra 2018 iny nahely iny, hoy kosa ny fandisoana nivoaka. Na izany aza dia manahirana ny zava-miseho amin’i Afrika Atsimo firenen’i Nelson Mandela, izay Raiben’ny fampihavanana sy ny fiombonana. Tsy tao ihany fa teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao. Mandeha ny fikaroham-bahaolana ary manomboka milamindamin-dratsy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT