Gadra mpamerin-keloka tratra na maty

« Aza ahilika fotsiny amin’ny mpandraharahan’ny fonja »


  • Alarobia 19 Martsa 2025

Zary fandre matetika ny fisiana jiolahy voalaza fa vao avy nigadra,

na mpamerin-keloka na tokony ho mbola any am-ponja tratra amin’ny asa ratsy, voasambotra, lavon’ny mpitandro ny filaminana,... Miantefa any amin’ny fonja hatrany ny kiana mikasika azy ireny hoe : nahoana no tafavoaka izy ireny ? Naneho ireo mpandraharahan’ny fonja raha nanontaniana fohy mikasika ireny, fa ny famoahana voafonja iray dia tsy fanapahan-kevitra miainga avy amin’izy ireo fa miainga amin’ny fanapahan-kevitra araka ny lalàna sy ara-pitsarana na « acte judiciaire ». Misy ohatra ny voafonja vonjimaika mangataka fahafahana vonjimaika, ao ny mety efa nahavita sazy no mamerin-keloka,… Momba ny resaka asa ivelan’ny fonja MOP (Main d’œuvre Pénale) ohatra, dia nambaran’izy ireo, fa fanapahan-kevitra iraisana, ny misy kaomisionina io, misy andraikitra iraisana ao anatiny, fa ny mampalahelo dia rehefa misy ny tsy fetezana na tsy fahatomombanana dia ahilika aty aminay foana ny rihitra. Mangataka ny tena hanomezana toerana ny Filankevitra ambonin’ny fandraharahana ny fonja na ny CSAP moa ny Sendikan’ny mpiasan’ny fandraharahana ny fonja na ny SPAM amin’ny fanendrena ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny fonja. Mangataka hijerena akaiky ny zava-misy ny mpandraharahan’ny fonja mba hisian’ny fijerena sy fanomezana hasina azy ireo amin’ny fanapahan-kevitra samihafa, fa tsy zary lasa hanilihana ny tsy mety ny mpandraharahan’ny fonja rehefa tojo izany. Tahaka izany ihany koa ny resaka fampitaovana, toy ny fanapariahana ireo fiara any halefa any amin’ny fonja samihafa satria misy ny mandeha an-tongotra,...
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT