Gaboraraka eto Antananarivo

Tsy tazana ny rivotry ny fanovana sy fanavaozana


  • Alatsinainy 02 Martsa 2026

Azo lazaina ho mbola tsy tazana hatreto

aloha izany ny rivotry ny fanovana sy fanavaozana raha ny mikasika ny gaboraraka miseho eto Antananarivo no ambara. Velon-taraina hatrany hatramin'izao ireo mponina, indrindra, mandalo an'iny Andravoahangy sy Behoririka iny. Tsy ny samy olona intsony no mila ifanitsa-kitro ankehitriny fa ny olona sy ireo fitaovam-pitaterana samihafa koa dia mila hifanitsa-kitro lalandava. Mifamezivezy ao daholo na olombelona na sarety na fiara na fiarabe na inona. Ny lalan'ny mpandeha tongotra na "trottoir" moa dia anaran-tsy very sisa fa mihevitra azy ireo ho tompon'izy ireny mihitsy ireo mpivarotra amoron-dalana. Ianao mahadona na mahavoahitsaka, na dia tsy nahy, ny fananany indray no diso sy tratran'ny tambabe sy toy ny miana-kendry raha milaza ny ataony ho tsy manara-dalana. Ny tsy fandriampahalemana afitsoky ny mpanao sinto-mahery sy mpangaro-paosy manararaotra ny fifampisisihana amin'ny fifamezivezena tsy lazaina intsony. Andrasana ihany ny fandraisana andraikitra hentitra na avy amin'ny fiadidiana mivantana ilay kaominina na tomponandraikitra hafa hatreto.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT