Any Ivelany

Frantsa tao anaty fihibohana Olona 12 tapitrisa no very asa


  • Talata 12 Mey 2020

Niala tanteraka ny fihibohana raha nihidy aman-trano nandritra ny 55 andro i Frantsa nanomboka omaly. Misokatra avokoa ireo toeram-pivarotana, sekoly, … ary afaka mifamezivezy an-kalahahana ny rehetra.

 

 

 

Mbola napetraka kosa ny fahamehana ara-pahasalamana. Na dia mbola an-jatony isan` andro ny olona maty ary efa mananikana 100 000 isa no voan` ny tsimokaretina coronavirus dia tsy maintsy niroso tamin` ny fialàana amin` ny fihibohana noho ny olana ara-toekarena. Nisedra ny mafy ny toekarena tao aminy satria 40%n` ireo frantsay no nizaka izany ankehitriny. 12 tapitrisa ireo very asa voakasiky ny fihibohana. Ho fitsinjovana ny toekarena tokoa no mahatonga ireo firenena vitsivitsy tsy miditra amin`ny fihibohana toa an`i Bresil. Efa maherin` ny arivo no maty ary maherin`ny 20 000 isa no mitondra ny tsimokaretina saingy miziriziry ny filoha Brezilianina. Na ho ela na haingana anefa dia tsy maintsy miala amin` ny fihibohana noho ny firenena rehetra satria tsy afaka hiaina amin` izany ela ny mponina.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT