Any Ivelany

Frantsa Niverina nihetsika indray ny « Gilets Jaunes »


  • Alatsinainy 14 Septambra 2020

Raikitra indray ny sakoroka tao Paris - Frantsa ny sabotsy lasa teo. Niverina nidina an-dalambe indray ny "Gilets Jaunes" raha toa ka niato izany nandritra ireny vanim-potoanan` ny valanaretina Covid 19 tany an-toerana ireny.

 

 

 

 Voarara tsy azo hanaovana fihetsiketsehana ny manodidina ny Champs-Elysées, toerana misy ny birao sy trano ipetrahan'ny filoham-pirenena Frantsay Emmanuel Macron. Nafana ny tamin’ny sabotsy satria, nahatratra 128 ireo olona nosamborin’ny mpitandro filaminana noho fihetsika maherisetra nataon’izy ireo na noho ny fahatratrarana ireo fitaovana voarara teny amin'izy ireo, toy ny antsy, zava-maranitra, karazana vanja, vato maranitra, fanorahana tsilo (arc à fléchettes), … Mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana ihany koa ireo "Gilets Jaunes" any amin’ny tanan-dehibe maro any Frantsa. Raha tsiahivina dia teraka fotsiny ity hetsika “Gilets jaunes” ity manoloana ny zava-misy miantraika amin`ny olo-pirenena tsotra fa tsy avy amina fikambanana na antoko politika na avy amina sendikà. Mahatsiaro mandalo fotoan-tsarotra ny vahoaka frantsay noho ny hasarotan` ny vidim-piainana. Tany am-piandohana dia fisintonana lakilosy ny fanjakana noho ny fampiakarana hetra nalaina amin`ny solika tamin` ireo olom-pirenena no anton` ny hetsika ka nampiseho an`izay fahasahiranana tamin`ny fidiana an-dalambe.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT