Any Ivelany

Frantsa Nakatona ireo toerana mahavory olona


  • Zoma 06 Martsa 2020

Raha ny tatitra voaray dia niampy 42 indray ireo no maty vokatry ny aretina “coronavirus”.

 Fantatra fa miisa 52 ireo firenena efa niparitahan` ity aretina ity maneran` izao tontolo izao. Vao maika mifendraka amin`ny faritra maro ny COVID-19 hany ka voatery tsy maintsy manamafy ny ady atao ireo tompon’andraikitra. Ankoatra an`i  Sina dia i Korea Atsimo sy Italia ary Frantsa no tena ahitàna trangan`aretina. Amin`izao fotoana dia maherin`ny 50 tapitrisa no voatery natoka-monina tanteraka ka manaraka fitsaboana manokana. Ho an`i korea atsimo izay betsaka ny tahan`ny olona voan ny aretina dia miampy 500 indray ireo olona voamarina ao aminy mitondra ny tsimokaretina. Ao Frantsa dia miisa 13 ireo tranga voamarina ary roa no fantatra efa matiny. Ny teo anivon`ny minisiteran`ny fahasalamam-bahoaka frantsay dia tsy maintsy nakatona ireo ivontoerana rehetra mahavory olona betsaka sy mampisarika mpizahatany maro, hoy ny minisitra Jerome Salomon, toy ny “musée du Louvre” izay mahasarika mpitsidika 9,6 tapitrisa isan-taona.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT