Any Ivelany

FRANTSA NAHENA HATRANY NY FATRANA ENTANA AMIDY


  • Alakamisy 12 Mey 2022

Miha mahoraka hatrany ny antsoina hoe “Réduflation” na fomba fanenana ny fatra na habetsaky ny entana amidy eny an-tsena ao Frantsa ao amin’izao fotoana izao.

Izany hoe tsy mihena ny vidin’ilay entana fa ny fatrany kosa no hanalan’ireo mpivarotra na mpandraharaha. Fomba iray nanomboka nihanaka hatramin’iny fiandohan’iny volana aprily iny izy io, raha ny fanazavan’ireo mpahaivarotra ao an-toerana, ary isan’ny antony maha ela ny fidangan’ny vidim-piainana ihany koa. Tsy mijanona ao Frantsa irery fa efa manomboka miparitaka ao Eoropa mihitsy ity karazana rafitra ara-barotra ifehezana ny vidim-piainana ity, raha ny akom-baovao hatrany.
TETEZAN’I DOLNI
TETEZANA AMBONY FIANTONANA INDRINDRA
Ny tetezan’i Dolni ao Morava, Repoblika Tchèque no tetezana ambony fiantonana indrindra eto ambonin’ny tany. Izy io dia mirefy 721 metatra. Manana haavo hatrany amin’ny 95 metatra kosa.Tsy natao ho an’ny olona saro-tahotra ary efa misy filazana manokana mihitsy mialohan’ny hidirana amin’ity tetezana ity.Fotodrafitrasa anisan’ny tena manintona mpizahatany izy ity, eny fa na dia hhaka sary indray mipika fotsiny aza; misy mantsy ireo olona tsy sahy miampita hatramin’ny farany ny tetezan’i Dolni.
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT