Any Ivelany

Frantsa Mitohy hatramin` ny 11 mey 2020 ny fihibohana


  • Talata 14 Aprily 2020

Nanao fanambarana ny Filoham-pirenena frantsay Emmanuel Macron omaly manoloana ny ady amin` ny COVID-19.

 

 

 

 Nanapa-kevitra ny governemanta frantsay fa hitarina hatramin` ny 11 mey indray ny fihibohana. Tokony handeha tsikelikely izany fialana amin’ny fihibohana izany, hoy izy. Aorian` io daty voatondro io dia ho miandalana ny fisokafan'ireo sekoly, kolejy ary lisea. Ho amin` ny fampianarana ambony kosa dia amin` ny 20 septambra 2020 ny fidirana. Araka ny toromariky ny Filoha Macron dia tsy mbola misokatra ireo trano fisakafoanana sy ireo fanaovana hetsika famoriam-bahoaka. Tena fahavalo goavana ny famoriana olona sy ny fivezivezena, hoy izy. Tokony hahena sy tazonina ho kely hatrany ny fihetsehan’ny olona izay tena mitarika ny fihetsehan’ny otrikaretina. Marihana fa i Frantsa no firenena nanana vahoaka hendry indrindra tamin` ny fihibohana an-trano nandritra izay iray volana izay

. Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT