Any Ivelany

Frantsa Ho mafy kokoa ny fanoherana an’i Macron


  • Alatsinainy 25 Aprily 2022

Lany ho Filoham-pirenena Frantsay fanindroany I Emmanuel Macron. Tontosa omaly alahady 24 aprily ny fihodinana faharoa izay nifananandrinan’ity Kandidan’ny La République en Marche ity tamin’I Marine Le Pen avy amin’ny

Rassemblement National Rtoa Marine Le Pen. Nivoaka nandresy tamin’ny isa 58,2% I Macron ary 41,8% kosa ny an’i Le Pen, raha ny vokatra vonjimaika. Nisy fivoarana ny isan-jaton’ny vato azon’I Le Pen izay efa nifanandrina tamin’I Macron tamin’ny 2027 satria 66,10%-33,90% no azon’ny roa tonta tamin’izany. Raha 10 tapitrisa ny elanelam-bato tamin’izany, dia manodidina ny 5 tapitrisa tamin’ity. Ny 2012 moa izy no nirotsaka ho kandida voalohany, la nahazo 17,90% tsy nahafahany niatrika fiodinana faharoa. 28% ny tahan’ny tsy fahatogavana tamin’ity, izay nihoatra 2,5% mitaha ny tamin’ny 2017 (25,44%). Hangotraka kokoa ny fanoherana any Frantsa, ary sambany no nahazo salan’isa 41,8% izany ny hery ankavanana teo amin’ny tantara.Tamin’ny kabariny omaly, tsy naneho fiarahabana an’i Macron i Le Pen, ary naneho tamin’ny ampahan-teniny fa tsy hahavita na inona na inona amin’ny fanarenana ny fahapotehan’ny fireneny i Macron. Hanohy ny finiavako ho an’i Frantsa aho aho ary ny Frantsay miaraka amin’ny faharetana izay fantatrareo tsara, hoy izy. Nambaran’i Le Pen fa naneho ny fametrahana ny fifandanjan-kery (Contre-pouvoir) hanoherana an’i Macron ny Frantsay,… Atombontsika androany ny ady goavana ho an’ny fifidianana solombavambahoaka, hoy i Marine Le Pen. Ny 12 jona izao ny fifidianana depiote.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT