Any Ivelany

Fonjan’i Guantanamo Mitohy ny asay, hoy i Donald Trump


  • Alakamisy 01 Febroary 2018

Nanapa-kevitra ny mbola hampiasa hatrany ny fonaj’I Guantanamo mba hihazonana ireo olona sokajiana ho mpanao asa fampiorohoroana ny filoha Amerikana Donald Trump; efa nomeny baiko momba izany ny minisitry ny fitsarana Jim Mattis ary efa voasonia ny didim-panjakana,

 hoy izy.Anisan’ireo mety hogadraina ao amin’ity fonja ity ireo olon’ny “Etat Islamique” azo babo nandritra ny ady tany Syria, mety hafindra any Guantanamo ihany koa ireo Islamista mampiorohoro an-jatony hazonina amina fonjamaromaro any Etazonia.Nieritreritra ny hanidy tanteraka an’I Guantanamo ny filoha Amerikana teo aloha Barack Obama, saingy ny mifanohitra tanteraka amin’izany no mitranga ankehitriny. 

Afghanistan

Nihetsika ny tany

Taorian’ny fipoahan’ny baomba dia nitrangana horohorontany indray tany avaratra atsinanan’i Afghanistan ny alarobia teo izay manana tanjaka 6,1 eo amin’ny mari-drefy Richter. Raha ny nambaran’ny sampana mpitsirika momba ny horohorontany Amerikanina dia tany Pakistan tao amin’ny tendrombohitr’i Hindu Kush manana halalina 191 kilometatra ny foibeny. Raha ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny sampam-pirenena misahana ny loza voajanahary any dia tsy nisy ny traboina ao Afghanistan, fa noho ny fatahoran’ny olona hirodanan’ny trano no nivoahan’izy ireo. 

Herisetra sy fanolanana - Frantsa

Notanan’ny polisy i Tariq Ramdam

Notanan’ireo polisy mpanao famotorana vonjimaika any Parisy ilay mpahay momba an’ny silamo Soisa Tariq Ramadan mba ahafahana manadihady azy mahakasika ilay fitoriana momba ny fanolanana sy fanaovana herisetra. Vehivavy 2 no nametraka fitoriana tany amin’ny polisy nanomboka ny volana oktobra izay nilaza fa naholan’ity teratany Soisa ity ny taona 2009 sy 2012, ka nampiatsoana tao amin’ny polisy ity ary tonga tao ny alarobia teo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT