Any Ivelany

Fonja nikorontana tany Brezila Gadra 55 no maty nandritra ny roa andro


  • Alarobia 29 Mey 2019

Raikitra ny fifandonana tamin’ireo voafonja ao amin`ny fonja iray any avaratr'i Brezila. Ny fonjan`i Amazonas dia natao hitobian’ireo jiolahy voasokajy ho mahery fihetsika.

 

 

 55 ireo gadra maty noho ny herisetra nisy. “Fanakendana sy fampiasana zava-maranitra toy ny borosy nify no nahafaty ireo gadra ireo", hoy ny Kolonely Marcos Vinicius Almeida. Ireo gadra maty voalohany dia novonoina nandritra ny ora famangiana tao amin'ny efitrano fivoriana ny alahady lasa teo, niisa 15. Ny alatsinainy, maherin`ny40 ny isan’ireo voafonja no hita faty tao amin`ny fonjan`i Amazonas. Mbola tombana io isa io fa mbola ahiana hihoatra. Araka ny vaovao voaray dia tsy nisy manampahefana nanao ny asany nandrava ny ady tamin’io. Nanazava ny tomponan’andraikitry ny fonja fa ny fidirana haingana nataon'ny polisy sy miaramila tao am-ponja no nampitsahatra ny ady nisy teo amin’ireo voafonja ary voafonja miisa 200 no tafavoaka tamin’ny voina.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT