Any Ivelany

Fodiana an-tanindrazana Miantso vonjy ny tatsambo Malagasy


  • Alarobia 08 Jolay 2020

Miezaka hampifandrindra hatrany ny fifehezana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus sy ny fitsinjovana vahoaka ny fitondrana hatramin’ny nidirana tamin’ny hamehana ara-pahasalamana.

 Voajery tao anatin’izany hatramin’ireo mpila ravinahitra any ivelany izay efa nisy nampodiana ka mba mangataka io tombontsoa io koa ireo tatsambo Malagasy mihitsoka any, amin’izao fotoana izao. Tra-pahasahiranana tahaky ny mpivahiny rehetra mipetra-potsiny, tsy an’asa any an-tanin’olona ny tantsambo malagasy niasa tamin’ny orinasam-pitaterana an-dranomasina samihafa, hatramin’ny nisian’ity coronavirus ity. Nisafidy ny hiverina an-tanindrazana ny 710 amin’izy ireo, araky ny hafatra nampitainy tamin’ny fikambanan’ny mpila ravinahitra « Zanak’i Gasikara » ka mila ny fanampian’ny mpitondra aty an-toerana amin’ny hahafahany manao ny dia toy ireo efa nody teo alohany. Re avy amin’ireo mpila ravinahitra ireo ny fisian’ny sidina ho aty Madagasikara, haka ireo teratany vahiny tavela aty ary hiainga avy any amin’ny nosy La Réunion ny faha-6, faha-10 ary faha-12 jolay izao. « Fanirianay ny hifampiraharahan’ny mpitondra malagasy amin’ireo tompon’andraikitra ka hampandalovana ireo sidina ireo any amin’ny nosy Kaomaoro, hitondra ireo Malagasy tafajanona ao na izay afaka mamonjy ireo fiaramanidina ireo ao », araky ny fanambarana nampitain’ny « Zanak’i Gasikara » tamin’ny solontenany eto an-tanindrazana, Rasambozafy Cyrille, omaly. Nampahatsiahivin’ity masoivohon’ny fikambanana « Zanak’i Gasikara » ity fa efa tongotra mby an-dakana hatry ny ela ny tatsambo Malagasy 128 any Soisa sy ny 50 hafa tavela any Dubaï fa miandry ny fampiharana ny fanapahan-kevitra fanamorana ny fampodiana azy ireo araky ny tapaka tamin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny fiandohan’ny volana teo fotsiny.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT