Any Ivelany

Fivorian’ny G7 tany Frantsa 251 tapitrisa dolara ampiasaina aty Afrika


  • Talata 27 Aogositra 2019

Nivory tany Biarritz Frantsa indray ireo firenena matanjaka indrindra mivondrona ao amin’ny G7.

 

 

 

Tapaka tamin’izany fa hampisam-bola amin’ireo vehivavy manao fandraharahana eto Afrika (AFAWA) ny filoha frantsay Macron sy ireo filoham-panjakana mikambana ao amin’ny G7.  Hampiroborobo ny fandraharahana ataon’ny vehivavy afrikanina no tanjona ary ny Banky Afrikanina ho amin’ny fampandrosoana (BAD) no tompon’antoka amin’ny famoahana ny vola. Nanambara ihany koa i Macron, izay sady filohan’ny G7 fa vahaolana ho an’i Afrika izao, indrindra amin’ny sehatra fandraharahana sy Banky. Maro be mantsy ireo vehivavy mpandraharaha no efa nampiaka-peo tamin’ny niatrika ny fivorian’ireo mpitondra afrikanina tamin’ny janoary 2015 ny amin’ny fahasarotan’ny fahazoana famatsiam-bola ampiasaina, hany ka tsy mahalia lalana irery izy ireo ary sempotra tanteraka anaty fandraharahana atao noho ny tsy fisian’ny famatsiam-bola. Etsy an-daniny dia nilaza ny filohan’ny BAD, Adesina Akinwumi fa tsy azo ihodivirana intsony ny fandraharahana ataon’ny vehivavy amin’izao fotoana izao ary izy ireo mihitsy no ho avin’ny kaontinanta afrikanina. Ny 30%-n’ny orinasa Madinika sy Salantsalany mantsy dia efa tantanan’ny vehivavy avokoa eto Afrika ary misy fatiantoka 42 miliara be izao ataon’ny mpandraharaha lehilahy izao tokony hotsentsenan’ny mpandraharaha vehivavy haingana amin’izao fotoana izao.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT