Any Ivelany

Fitsarana Iraisam-pirenena na CPI Ny Afrikanina no tena lasibatra


  • Zoma 18 Janoary 2019

Fitsarana iraisam-pirenena ny « Cour Pénale Internationale » fantatra amin’ny hoe CPI, izay manana ny foibeny any La Haye any Pays Bas.

 

 Mitsara ny raharaha heloka bevava mahakasika vono olona faobe, fanitsakitsahana na fanohintohinana ny zo fototry ny olona na vondron’olona noho ny firehana politikany na ny finoana, ny volon-kodiny,.. Ny vono olona sy herisetra mihatra amin’ny sivily, ny ady sy fifanolanana miteraka fifamonoana,… Tany Rome Italie ny 15 jona 1998 no niatombohan’ny CPI niainga tamin’ilay antsoina hoe « Statut de Rome », fa ny 1 jolay 2002 vao tena nanomboka niasa, taorian’ny fanaovan-tsonia nataona firenena.  Niisa 123 amin’ny 198 mpikambana ao amin’ny firenena mikambana no nanasonia ny fifanarahan’i Rome mikasika ny fananganana ny CPI, raha 60 tany am-boalohany. Ny 34 dia firenena Afrikanina avokoa. Toa saika ireo mpitondra Afrikanina amin’ny ankapobeny no nohenjehina sy nohelohin’ny CPI, raha tsy hilaza afa tsy ny filoha Soudanais Omar el-Béchir ny 2009, izay teo am-perinasa no nohenjehina noho ny resaka ady sy vono olona tany Darfour. Nohenjehin’ny CPI ihany koa i Jean-Pierre-Bemba, filoha lefitra tany RD Congo taloha, izay nambara fa nitarika ny ady sisin-tany nifanaovana tamin’i Centrafrique ny 2002-2003. Raharaha mafana amin’izao ny mahakasika ny filoha Ivorianina teo aloha Laurent Gbagbo, izay nogadraina nanomboka tamin’ny savororo taorian’ny fifidianana 2010 ary nambaran’ny CPI vao andro tokony hafahana, kanefa naato indray ny fanapahan-kevitra manafaka azy.,.. Tany Afrikanina avokoa no manana raharaha lehibe toa an’i Burundi, RD Congo, Centrafrique, Soudan, Kenya ka mahatonga ireo tany Afrikanina maromaro hihevitra fa natao hamotehana ny mpitarika na ny « leader » Afrikanina ity CPI ity. Ny taona 2016 dia naneho ny mety ho fisintahany tao i Afrika Atsimo, Gambie, Kenya, Burundi,… ka ity farany no efa nekena ny fialany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT