Any Ivelany

Fitrandrahana « Gaz » sy « Pétrole » Hanao fifanarahana ny Equato-Guinéen sy ny sinoa


  • Zoma 28 Jona 2019

Miketrika mafy hitrandraka « pétrole » sy « gaz » any Guinée Equatoriale ry zareo sinoa amin’izao fotoana izao, ary tena mifandray tanteraka ny tadin-dokanga eo amin’ny firenena roa tonta.

 

 

 

Hampahafantarina ny 2-3 jolay izao any Pékin amin’ny alalan’ny fikaonan-doha na « forum » goavana ny mahakasika ireo toeram-pitrandrahana lehibe miisa 27 na ireo « 27 blocs de pétrole et de gaz » ao anatin’ireo anaovana tolo-kevitra hahazo fahazoan-dalana mitrandraka ho an’ny taona 2019 na ny « licences EG Ronda ». Orinasa matanjaka sinoa maro misehatra amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany, gazy, solika no handray anjara amin’io fihaonana goavana any Pékin io, dia ny PowerChina Group, Sinochem, ENN Group, CCCC, CMEC, China Minmetals Corp, China Gas, Beijing Gas, Jincheng Anthracite Mining Group, PetroChina, Sinoenergy, CNOOC,…

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT