Any Ivelany

Fitrandrahana Fasimainty Naaton’ny fanjakana ny “Base Toliara”


  • Alakamisy 07 Novambra 2019

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra notanterahana omaly alarobia 06 novambra fa naato ny tetikasa sy ny serasera manodidina ny Base Toliara, na ilay fitrandrahana fasimainty nokasaina atao any Toliara.

 

 

 

Mitohy kosa ny fifampidinihana atao amin’ireo tompon’andraikitra ao anatin’io orinasa io.Noho ny olana miseho ateraky ny herisetra niseho sy ny tsy fifankahazoana eo amin’ny orinasa sy ny mponina any amin’ny toerana iasan’izy ireo, tsy mazava ny tombontsoan’ny fanjakana Malagasy rehefa tena nohalalinina ny ambaindain’ny fifanarahana voasonia tany aloha. Tsy mazava ny fifanarahana voafaritra tany aloha ka tsy hita intsony izay tena tombombarotra ho an’ny mponina sy ny fanjakana ary ny faritra ao anatin’izany, hoy ny fampitam-baovaon’ny filankevitry ny minisitra. Tsy mbola voafaritra mazava kosa anefa ny tetiandro amin’ny fifampidinihana na ny zavatra takian’ny fanjakana manoloana ny hoe “tsy mazava” tamin’ny fifanarahana natao tany aloha.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT