Any Ivelany

Firenena eoropeanina Efa miditra amin’ny fahasahiranana ara-toekarena


  • Alatsinainy 07 Janoary 2019

Miadam-pamindra tanteraka ny toekarena ao amin’ny firenena eoropeanina, indrindra ireo mikambana ao amin’ilay atao hoe zone euro amin’izao fotoana izao.

 

 

 

Raha notombanan’ny banky foibe eoropeanina (BCE) ho 2% tokoa mantsy ny fitomboana ara-toekarena tamin’ny 3 volana faran’ny taona 2018, dia 1, 6 % ihany no tratra. Betsaka ny antony nahatonga izany ka anisany ny fialan’ny Anglisy tao amin’ny faritra euro. Raha amin’ny volana martsa 2019 tokoa mantsy ny daty voatondro fisarahana tanteraka amin’ny roa tonta dia hatramin’zao tsy mbola nahita marimaritra iraisana foana ny ao amin’ny zone euro sy ny anglisy ny amin’ireo fifanarahana maro satria samy miziriziry ny amin’ireo tombontsoa tadiavina. Anisan’ny tena mampikatso ny fifampiraharahana ao izao ny fangatahan’i Espana ny fiverenan’ny sisintaniny Gibraltar izay lasan’ny Anglisy. Tahaka izany ihany koa ny disadisa amin’ny sisintany 2 ao amin’ny Irlandy Atsimo sy Avaratra. Ankoatra izay dia nisy akony ratsy tamin’ny toekarena eoropeanina ihany koa ny krizy politika tany Frantsa tamin’ireny hetsiky ny Gilets Jaunes ireny. Teo ihany koa ny fiovan’ny governemanta tany Italia izay manao fanahy iniana mampihatra politika ekonomika tsy mifanaraka amin’ny tari-dalana apetraky ny vondrona eoropeanina. Tamin’izany aza moa dia nanarina mafy i Italia hiverina hanaraka ny toromarika saingy tsy nanaiky hatramin’ny farany ary ahiana koa ny mety hialany ao amin’ny zone euro raha izao fihetsiny izao no jerena. Tsy azo odian-tsy hita ihany koa ny ady ara-barotra nisy tamin’ny Amerika sy Sina izay tena nisy fiantraikany ratsy tamin’ny toekarena eoropeanina. Manginy fotsiny ny tsy fahamarinan-toeran’ny rafitra ara-bola sy ny fisondrotam-bidim-piainana, indrindra ao amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny zone euro ireo. Izany rehetra izany no miteraka fahasahiranana ara-toekarena ary ampoizina ny fiantraikany eto Madagasikara.

Tsirinasolo

     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT