Any Ivelany

Firenena arabo sy Sina Manana ambim-bava hatrany


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Na manao fandraharahana be aza amin’izao fotoana izao ny firenena matanjaka sasany dia saika miditra amin’ny trosa avokoa.

 

 Matetika betsaka ary mitombo loatra ny fandaniana (consommation) ka tsy maharaka ny vola miditra ary mampitotongana hatrany ny toekarena. Tsy ampy mihitsy araka izany ny fidiram-bola ka tsy maintsy mitrosa ny ankamaroan’ny firenena. Na ireo lazaina matanjaka amin’izao fotoana izao aza dia miditra amin’ny fitrosana. Voakasik’izany ny amerikanina izay efa sady mitotongana ny toekarena noho ny politikan’i Donald Trump. Ao ihany koa ny olan’ny Anglisy ateraky ny brexit « BRITISH EXIT » izay fialan’ny Royaume Unie ao amin’ny vondrona Eoropeanina ary hita ho tsy nahomby hatrany ka mampihisatra ny toekareny. Amin’izao fotoana izao dia ireo firenena arabo mpanondrana solika mivondrona ao amin’ny OPEP (Organisation des Pays Exportateurs de Pétrole) tahaka ny Arabia Saodita, Emirats Arabo no manam-bola ary miezaka ny tsy hitrosa mihitsy. Ankoatr’ireo dia hita ho manankarena be ihany koa i Sina ary izy mihitsy no mampirisika ireo firenena matanjaka hitrosa any aminy. Anisan’ny tafiditra ao anaty haraton’ny fitrosana i Madagasikara noho ny fidiram-bolam-panjakana ambany. Tsy maintsy mitrosa ho fanentsenana ny banga saingy hatreto dia mbola hita ho tsy tafavoaka mihitsy. Ireny trosa ireny anefa dia holovain’ny taranaka saingy azo foanana ihany ny ampahany sasany raha mahay mifampiraharaha tsara ny mpitondra.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT