Any Ivelany

Firenena Amerikanina Nandefa miaramila maherin’ny 3000 isa any Moyen Orient


  • Talata 07 Janoary 2020

Samy miomankomana amin’ny fifanafihana izany amin’izao fotoana izao ny ao Etazonia sy Iran ao taorian’ilay daroka baomban’ny Amerikanina tao amin’ny seranam-piaramanidin’I Bagdad ka nahafaty ny jeneraly Qassem Soleimani izay mpitarika ny revolisionina iranianina ny zoma teo.

 

 

Efa nitsangana hatry ny omaly ary saika manenika ireo Moské ao Iran ny saina mena manambara fa raikitra ny ady ary manamafy fa tsy maintsy hamaly faty ity firenena iranianina ity. Etsy ankilany kosa dia nanainga omaly ny miaramila amerikanina miisa 3000 mahery nalefan’ny be kintana ho any Moyen Orient ametraka ny paikady amin’ny fanafihana sy hiady, mazava ho azy. Faniriana ihany moa ny an’izao tontolo izao ny amin’ny mba hahitan’ireto firenena roa ireto marimaritra iraisana tsy hifandonana na fara faharatsiny ho hatreo amin’ny firenena roa tonta ihany izay fifanandrinana izay fa tsy hisafilitika amin’ireo firenen-kafa.Hanolotra valisoa 80 tapitrisa dolara ho an’izay mahasambotra ny filoha Amerikanina Donald Trump sy manolotra izany azy ireo moa ny Iraniana, araka ny fanambarana nataona mpitarika iray omaly nandritra ny fandevenana ny jeneraly Soleimani izay nahavory olona an-tapitrisany maro tao Teheran renivohitra

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT