Any Ivelany

Filoham-pirenena Peroviana teo aloha Voasambotra tany Etazonia noho ny resaka kolikoly


  • Alakamisy 18 Jolay 2019

Voasambotry ny mpitandro filaminana Amerikanina tao Etazonia ny talata lasa teo ny filoham-pirenena perovianina teo aloha, Alejandro Toledo,

 

 

 

 noho ny raharaha kolikoly izay nanenjehana azy an-taonany maro. Voapanga ho nanodinkodim-bola mitentina 20 tapitrisa dolara ity filoha teo aloha ity avy amin`ny orinasa brezilianina iray mpanao asa vaventy. Tamin`ny taon-dasa no nametraka taratasy fisamborana ny fanjakana peroviana momba ity raharaha kolikoly ity tamin`ireo manampahefana amerikanina ka izao nahasamborana azy izao. Etsy an-kilany, nandà mafy ny fiampangana azy ity filoham-pirenena teo aloha ity rehefa nanaovana fanadihadiana. Etsy an-daniny, nilaza ny tompon’andraikitra eo anivon`ilay orinasa brezilianina fa mbola nanome vola mitentina 30 tapitrisa dolara, tamin`ny taona 2016, kanefa toa tsy hita popoka ihany koa izany. Maloto ny endriky ny fitondrana perovianina ankehitriny satria filoham-pirenena miisa 4 no samy voarohirohy amin`ny resaka kolikoly avokoa.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT