Any Ivelany

Fikambanan’ny Frankofonia Ho fantatra anio ny sekretera jeneraly vaovao


  • Zoma 12 Oktobra 2018

Nosokafana tamin`ny fomba ofisialy omaly, any Erevan, renivohitry ny Repoblikan’i Armenia ny fihaonan’ireo Filoham-pirenena na filoham-panjankana mikambana ao amin’ny Vondrona iraisam-pirenena ny Frankofonia (OIF).

 

 

 Ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao, no nitarika ny delegasiona malagasy niatrika ity fihaonana an-tampony ity izay mpitondra fanjakana manodidina ny 40 no mandray anjara aminy ka anisan’izany ny filohan’ny Repoblika frantsay, Emmanuel Macron. Nandritra ny lahatenin`ny filoha mpisolo toerana, namamafy Atoa Rivo Rakotovao fa manana anjara toerana amin`ny fampandrosoana an`i Madagasikara ny OIF.  Naompany indrindra tamin’ny fitandroana ny demokrasia ny lahateniny satria fantatra fa hiatrika fifidianana malalaka, mangarahara ary eken’ny rehetra ny voka-pifidianana amin’ny volana novambra ho avy izao. Tsy hadinony rahateo ny nanao ny tatitra momba ireo asa vita nandritra izay roa taona nitantanan’i Madagasikara ny OIF, izay nahitana fahombiazana tokoa, hoy ihany izy. Ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron no nandimby an’i Rivo Rakotovao teo amin’ny fandraisana fitenanana nandritra izany lanom-panokafana izany. Tsiahivina fa teto Antananarivo no nandraisana ny andiany farany tamin`ny taona 2016. Ny tena andrasan`ny maro amin`ity fihaonana an-tampony faha XVII ity ny fifidianana izay ho Sekretera Jeneraly vaovao izay hifanandrinan`I Louise Mushikiwabo, teratany rwandezy, sy i Michaelle Jean, teratany kanadianina. Anio no hifarana ity fihaonana an-tampony ny OIF tany Armenia ity ary ny lohahevitra naompana nandritra izany dia « Fiaraha-miaina ao anatin’ny firaisankina, fifampizarana ireo soatoavina miahy ny maha olona ary ny fanajana ny fahasamihafana : loharanon’ny fandriampahalemana ary ny firoboroboana ao anatin’ny tahala miteny na mampiasa ny teny frantsay ».

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT