Any Ivelany

Fihafanan`ny tany Ahiana ho lany tamingana ireo biby an-dranomasina hatramin`ny 2100


  • Alakamisy 13 Jona 2019

Manodidina ny 17% ny biby mivelona an-dranomasina maneran-tany no ahiana ho lany tamingana hatramin`ny taona 2100 raha mitohy ny fihazakazahan’ny famokarana etona mangeja hafanana na “gaz à effet de serre”

 

amin`ny endriny amin`izao, araka ny tatitry ny fanadihadiana sy ny fikarohana nataon`ny gazety boky amerikanina  PNAS ny talata lasa teo. Ho lasibatra amin`izany ny karazan-trondro, ny biby mampinono ary ireo biby tsy misy hazon-damosina. Raha toa ka isika olombelona mahavita mitazona ny hafanan`ny tany ho latsaky ny 2*C dia ho 5% ny tahan`izay fahalaniana tamingana an`ireo  biby mivelona an-dranomasina. Kely ihany ny finoan`ireo mpikaroka miisa 35 nanao ny fanadihadiana satria raha tamin`ny taona 2018 fotsiny ohatra dia efa tafahoatra ny fetra farany ambany sy farany ambony azo ekena amin`ny etona mangeja hafanana vokarin`ny olombelona.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT