Any Ivelany

Fifidianana parlemantera any Danemark Nanaiky ny fahareseny ny praiminisitra Lokke Rasmussen


  • Zoma 07 Jona 2019

"Tsara ny fifidianana nataontsika saingy nisy indro kely", hoy ny praiminisitra Lars Løkke Rasmussen,

 

 
tamin'ny mpanohana azy nanoloana ny fahareseny tamin`ny fifidianana parlematera tao Danemark ny alarobia lasa teo. Nihaona tamin`ny mpanjaka vavy izy omaly ka nanambara ny fametraham-pialany tsy ho praiminisitra intsony. Nambarany kosa fa mbola hikaroka vahaolana hatrany ho an'ny governemanta na tsy ho eo amin’ny fitantanana intsony aza ny tenany. Nivoaka mpandresy tamin’ny salan’isa 25,9% i Mette Frederiksen, raha toa ka 23,4% kosa ny isa azon`i Lars Løkke Rasmussen. Nilaza i Mette Frederiksen, mpitarika demôkratika sosialy fa hitarika governemanta vitsy an'isa mankany amin'ny fahombiazana izy, miaraka amin'ny fanohanan’ny parlemantera. 
 
Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT