Any Ivelany

Fifidianana monisipaly ao Grèce Hanjakan`ny fianakaviana Bakoyiannis


  • Talata 04 Jona 2019

Omaly no nanatanteraka ny fihodinana faharoa tamin`ireo fifidianana monisipaly sy ara-paritra i Grèce. Tao Athènes, dia hita taratra sahady ny fiverenan`ny fianakaviana Bakoyiannis eo amin`ny fitantanana ny renivohitr`i Grèce.

 

 

 I Kostas Bakoyiannis, kandidàn`ny Demokrasia vaovao, dia nifandrina tamin`i Nasos Lliopoulos, izay sokajiana ho kandidàm-panjakana. Ny azo ambara dia efa mibata ny fandresena i Kostas satria nandritra ny fihodinana voalohany dia efa nitarika mazava tamin`ny 25% ny vaton`ny mpifidy. Manan-danja eo amin`ny tontolo politika ao Grèce ioty fianakaviana ity. Ny reniny dia efa nitantana ny fiadidian`ny tanan`i Athènes, ny taona 2000. Ny mpiray tampo amin`i Dora Bakoyiannis, Kyriakos Mitstotakis, dia mpitarika ny antoko Demokrasia vaovao ary mety hitana ny andraikitra praiminisitra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Hitsahatra ny adin’i Etazonia-Iran
  • Zoma 19 Jona 2026

Misento tokana izao tontolo izao saingy…

  • Raim-pianakaviana
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy nanefa volan-jaza

  • Toe-draharaha iraisam-pirenena
  • Alakamisy 21 Mey 2026

Manamafy ny fifandraisany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

Hijery ny tohiny
FTT