Any Ivelany

Fifidianana monisipaly ao Grèce Hanjakan`ny fianakaviana Bakoyiannis


  • Alatsinainy 03 Jona 2019

Omaly no nanatanteraka ny fihodinana faharoa tamin`ireo fifidianana monisipaly sy ara-paritra i Grèce.

 

 Tao Athènes, dia hita taratra sahady ny fiverenan`ny fianakaviana Bakoyiannis eo amin`ny fitantanana ny renivohitr`i Grèce. I Kostas Bakoyiannis, kandidàn`ny Demokrasia vaovao, dia nifandrina tamin`i Nasos Lliopoulos, izay sokajiana ho kandidàm-panjakana. Ny azo ambara dia efa mibata ny fandresena i Kostas satria nandritra ny fihodinana voalohany dia efa nitarika mazava tamin`ny 25% ny vaton`ny mpifidy. Manan-danja eo amin`ny tontolo politika ao Grèce ioty fianakaviana ity. Ny reniny dia efa nitantana ny fiadidian`ny tanan`i Athènes, ny taona 2000. Ny mpiray tampo amin`i Dora Bakoyiannis, Kyriakos Mitstotakis, dia mpitarika ny antoko Demokrasia vaovao ary mety hitana ny andraikitra praiminisitra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT