Any Ivelany

Fifidianana filoham-pirenena ao Alzeria Tsy ho tontosa amin’ny 4 jolay indray


  • Alatsinainy 03 Jona 2019

Hahemotra amin`ny fotoana manaraka indray ny fifidianana filoham-pirenena ao Alzeria fa tsy ho tontosa ny 4 jolay ho avy izao.

 

 

 Fanambarana nataon`ny filankevitry ny lalàmpanorenana omaly io. Antony, miisa roa ihany ireo kandidà mikasa hisedra ny safidim-bahoaka dia i Abdelhakim Hamadi sy Hamid Touahri.  Marihina fa izy ireto dia tsy fantatra amin`ny tontolo politika alzerianina. Araka izany, tsy manana lanja politika izy ireo ka sarotra no ahazoana sonian`ny mpifidy 600 000 na olom-boafidy 600 araka ny lalàna alzerianina. Tsy mbola voafaritra ny datim-pifidianana manaraka kanefa ny fe-potoam-piasan`ny filoha vonjimaika, Abdelkader Bensalah, dia tapitra ny volana jolay ho avy izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT