Any Ivelany

Fifidianana filoham-pirenena 2020 Mahatoky tena tanteraka i Donald Trump


  • Alakamisy 20 Jona 2019

Nanambara tamin`ny fomba ofisialy amin`ny maha kandidà azy amin`ny fifidianana filoham-pirenena amin`ny volana novambra 2020 ny filoha am-perinasa Donald Trump.

 

 Fanambarana nataony tao Florida manoloana ireo mpomba azy ny talata lasa teo. Niisa roa hetsy teo ireo nanotrona azy dia ny vadiny sy ny siloha lefitra Mike Pence ary ireo mpanara-dia tsy mahasaraka azy ao amin`ny antoko Repoblikanina. Naneho fahavononana indray hitondra an`i Etazonia ho amin`ny efa-taona manaraka izy. Fampanantenana ny hitazona ny tanjaka sy halehiben’i Etazonina ary teny filamatra rahateo ny hoe “Rendre à l`Amerique sa grandeur”. Nahatoky tena tanteraka izy ary efa nihirahira sahady ny fandreseny. Notondroiny ho mpamotika tanindrazana ireo mpifaninana taminy sy ny teo aloha toa an`i Hilary Clinton sy Barack Obama.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT