Tokony halain-tahaka voalohany ny datim-pifidianana Amerikanina izay tsy niova mihitsy hatramin’izay ka hatramin’izao, hoy ny kandida loholona, Dany Rakotoson.
Eo amin’ny 4 novambra foana ny azy ny fifidianana dia miditra 20 janoary ny filoham-pirenena lany. Na dia filoham-pirenena tia tanindrazana aza ny filoha Trump dia efa fantatry ny rehetra hatramin’izay ny toetrany. Fanaovana tsinontsinona mpifidy izany hoe miandry valim-pifidianana fotsiny, ohatra, dia ilaozanao milalao golf, hoy hatrany izy. Hita kosa izao fa na ilay demokrasia fitaratry ny firenena rehetra aza dia mety ho tratry ny viriosy, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona. Ny ankilany any izao miteny hoe nisy hala-bato. Ny andaniny indray hoe mariky ny tsy fifampitokisana intsony izao. Mandrava ny demokrasia daholo izany. Manohitohina ny fahafahana sy mangarahara. Misy ny demokrasia amerikanina, misy ny demokrasia frantsay. Ahoana no tokony ho demokrasia Malagasy tsy akana tahaka be fahatany ny vahiny, hoy izy? Tsy hampiova ny fiainana sy toekarena Malagasy ny filoha lany ao Etazonia fa miankina amin’ny fitantanan'ny mpitondra antsika izany, hoy kosa ny kandida ho filoham-pirenena teo aloha, Narison Stephan. Na izany aza, tsara ihany ny manaraka ny zava-misy any ivelany. Hitako ho misongadina fa olona matotra i Biden ary hita fa efa nanao politika efa ela. Asa izay hafitsony rehefa eo, hoy hatrany ireto mpanao politika Malagasy ireto, samy niezaka naka lesona.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.