Any Ivelany

Fifidianana Eoropeanina Miezaka mafy hampandany ny olony i Emmanuel Macron


  • Alarobia 22 Mey 2019

Tandindomin-doza ary atahorana ho vaky ny vondrona eoropeanina, hoy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron ka tsy afaka ny hitazam-potsiny izahay fa tsy maintsy mirotsaka an-tsehatra.

 

 Izay no antony nanaovany propagandy mba hampandaniana ny olona avy ao amin’ny antoko nipoirany mba hahazo toerana maro ao amin’ny parlemanta eoropeanina. Ny alahady 26 mey izao moa no hiatrika fifidianana ry zareo eo anivon’ny vondrona eoropeanina. Voakiana mafy ny filoha Frantsay noho ity fihetsiny manao propagandy ity satria nosokajian’ny olona fa manararaotra ny fahefana eo am-pelatanany. Mifampitady amin’ny Rassemblement national tarihan’i Marie Le Pen ny antokon’ny filoha Macron amin’ny vato mety harotsaky ny Frantsay raha ny tsapan-kevitra farany nivoaka tany Frantsa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT