Any Ivelany

Fifaninana ara-barotra Sina-Etazonia Miditra an-tsehatra hatramin`ireo mpanao gazety


  • Zoma 31 Mey 2019

Miha mafy hatrany ny ady eo amin`ny firenena Etazonia sy Sina satria na ny mpanao gazety aza miditra an-tsehatra. Mpilaza vaovao amerikanina,

 Trish Regan sy sinoa, Liu Xin no niady hevitra mivantana tamin`ny haino aman-jery  Fox Buisness omaly tamin`ny 2 ora maraina. Adihevitra niainga tamin`ny tambajotra Twitter izy ity. I Trish Regan dia nitondra tenin`ny filoha Amerikanina, Donald Trump, tao anatin`ny ady ara-barotra misy eo amin`ny firenena roa tonta. Nisongadina tao ny filazana fa nangalarin`ny sinoa ny “quantities de brevets intellectuels » izay mitentina an-jatony miliara dolara. Namaly am-panajana kosa i Liu Xin, izay miaro ny voninahitr`i Pekin ka nilaza fa ny vokatra amerikanina dia mandoa hetra 9,9% any Sina kanefa avo telo heny raha oharina amin`ireo vokatra sinoa any Etazonia. Samy niaro ireo fireneny ireto mpanao gazety ireto.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT