Any Ivelany

Fibodoan’i Lafrantsa ireo Nosy Malagasy Porofon’ilay sarintsarina fahaleovantena


  • Alarobia 03 Jona 2020

Efa manakaiky ity ny 26 jona 2020, andro hankalazan'ny malagasy ny faha 60 taona niverenan'ny fahaleovantena.

 

 

Tsapa anefa toa sarintsarin'ny fahaleovantena ihany izany, hoy ny antoko politika Otrikafo. Porofo mivaingana hita maso dia ny fibodoan'i Lafrantsy ireo Nosy Malagasy na îles éparses. Marihina fa ninian'ny mpitondra frantsay tsy naverina niaraka tamin'ity tanibe Madagasikara ity ireo nosy ireo noho izy ireo manana toerana stratéjika toy ny harena an-kibon'ny tany, hetra fandalovan'ny sambo, toram-pasika fotsy... Ny filoham-pirenena Andry Rajoelina dia efa nanome toky fa ho azontsika io alohan'ny 26 jona 2020. Tsy vitan'ny teny fotsiny anefa izany fa mila hetsika ary iraisana hina toy ny tamin'ny Barea nataon'ny malagasy manerana ny nosy. Ho fanohizana ny tolona moa dia nanasa ireo izay maniry hiray feo aminy ity antoko ity mba hanjifa ny arotava misy soratra hoe « Nosy manodidina, antsika 100% » izay azo afarana ao amin’ny tambazotran-tseraseran’ity antoko ity.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT