Any Ivelany

Fiantraikan’ny raharaha Okrainina - Rosia Tokony hitondra fanazavana ny minisitry ny angovo


  • Zoma 04 Martsa 2022

Manomboka miha mafy indray ankehitriny ny fahatapahan-jiro lavareny na delestazy. Ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo moa ombay mitady hatrany hanazava ny antony sy ny vahaolana efa omanin’ny fitondram-panjakana momba izany

. Tsy dia any amin’izay resaka manodidina ny orinasa Jiro sy rano Malagasy izay ihany loatra koa anefa no tena andrasana aminy amin’izao fotoana izao. Iny efa marolafy ny fanazavana nomeny, izay raha fehezina izany dia hoe miandalana ny fanamboarana. Misy tosika eo amin’ny lafiny angovo mila hatsaraina. Mety hiteraka fahatapahan’ny herinaratra koa ny tsy fahatomombanana eo amin’ny lafiny toetr’andro sy ny resaka hafa marobe fa andrasana koa ankehitriny ny fanehoan-kevitr’ity minisitra ity mikasika ny mety ho fiantraikan’ity fifandonana eo amin’ny firenena Okrainianina miaraka amin’ny vondrona ara-tafika OTAN sy ny rosianina ity.
HISONDRO-BIDY
Hiakatra ny vidin’ireo vokatra ara-tsolitany toy ny solitany, mazava ho azy, ny solika, ny lasantsy sy ny hafa rehetra, raha ny famakafakan’ireo mpahaitoekarena. Efa mivonona amin’ny fepetra tokony ho raisina, indrindra, ny vahaolana amin’izany ve ny fitondrana Malagasy amin’ny alalan’ity minisiteran’ny angovo sy akoran’afo ity? Mbola ho tafiditra anatin’izany ihany koa io resaka famatsiana herinaratra io. Sanatria hiha mafy noho izay efa mafy indrindra nandalo ve ny delestazy sa inona no vahaolana efa voahomana ka antony tsy hitenenana aloha hatreto ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT