Any Ivelany

Feno 19 taona ny 11 septambra 2001 Kihon-dalan’ny tantaran’izao tontolo izao


  • Zoma 11 Septambra 2020

Feno 19 taona katroka anio ny raharaha 11 sepambra 2001, asa fampihorohoroana tamin’ny alalan’ny fiaramanidina roa nanapoahana ny trano kambana nijoalajoala na ny World Trade Center

 

 

 tany New York Etazonia, niseho 9 volana taorian’ny nandraisan’i George Walker Bush zanany ny fahefana. 2973 no maty, ary 6291 no naratra, izay tsy Amerikanina ihany, fa nisy avy amina firenena 93. Io hatreto no asa fampihorohoroana nahafaty olona betsaka indrindra teo amin'ny tantara. Ny vondrona mpampihorohoro Al-Qaïda no voalaza ho tao ambadika.

KIHON-DALAN’NY TANTARA

 Toa kihon-dàlana niantombohan’ny lamina vaovao maneran-tany na “nouvel ordre mondial” ny raharaha 11 septambra 2001. Nanamafisan’i Etazonia ny maha “gendarme du monde” azy somary natoritory. Nihahenjana ny ady tamin’ny fampihorohoroana, ary nahatsapa ho tandindonin-doza i Etazonia. Nanafika ireo firenena Arabo toa an’i Irak, Afghanistan,... Nambara fa manana fitaovam-piadiana mahery vaika na “Arme de destruction massive” i Irak ny 2002, nitarika tamin’ny fahafatesan’i Sadam Hussein ny 13 desambra 2003. Nahatratra 4000 miliara dolara ny vola nantonton’i Etazonia tamin’ny tafika. Miaramila 6200 no maty nandritra ny ady roa nataony. Taty amin’ny Fitondran’i Barack Obama, ny 02 mey 2011 dia matin’ny Amerikanina Pakistan i Oussama Ben Laden, Lehiben’ny Al-Qaïda. Nisesy nanomboka teo ny fifanolanana sy ady isan-karazany tany Moyent-Orient, izay mpanjakan’ny “petro-dollar” na ny tanjaka ara-tsolika. Rava sy tsy tafarina mandrak’androany i Irak, mikorontana i Afghanistan, mihamalefaka i Iran sy ny programa ara-nokleariny,… Toa niova mihitsy ny politikam-pifandraisana maneran-tany, izay mifantoka kokoa amin’ny lafiny, diplaomasia, raha tsy hilaza afatsy ny fifanarahana teo amin’i Israel sy Emirats Arabes Unis teo ambany fanelanelanan’i Donald Trump ny tapaky ny volana aogositra teo. Miara-dia sy mifameno hatrany i Israel izay ambaran’ny baiboly fa taranaka voafidy sy Etazonia.Lasa anton’asan’ny Amerikanina ny fanenjehana n’aiza n’aiza eto ambonin’ny tany ireo sokajiany fa mpampiorohoro; efa niditra tamin’io ady io ihany koa ny Frantsay.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT