Any Ivelany

FEDERASIONIN’NY KITRA IVORIANINA MATIN’NY COVID-19 NY FILOHA SIDY DIALLO


  • Alatsinainy 23 Novambra 2020

Nodimandry ny sabotsy lasa teo i Augustin Sidy Diallo, Filohan’ny Federasionina Ivorianina momba ny baolina kitra (FIF).

 

 Valanaretina covid-19 no voalaza nitondra azy tany amin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-61 taonany, ka nanomboka ny 09 novambra izy no voamarina fa voa. Voafidy ho Filohan’ny FIF izy nanomboka ny 2011, ary tao anatin’ny fitondrany no nahazoan’i Côte d’Ivoire ny amboaran’ny CAN in-droa. Saika naneho ny alahelony avokoa ireo mpilalao ao anatin’ny ekipam-pirenena Ivorianina sy ny vahoaka ary ny tontolon’ny baolina kitra maneran-tany. “Ny fianankaviamben’ny kitra Ivorianina, Afrikanina, maneran-tany no namoy ny zanany iray”, hoy i Didier Drogba Mpilalaon’ny Elefanta Ivorianina fahiny. Naneho ny alahelony ihany koa i Yaya Touré. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT