Faritra atsinanan’i Afrika

Ho zava-doza raha mifandona eo i RDC sy Rwanda


  • Alatsinainy 10 Febroary 2025

Tsy afaka mampangiana anay izany i RDC ( Repoblika demokratikan'i Congo) kanefa olana ho an'ny filaminan'ny

firenenay izy, hoy ny filoha Rwandais Paul Kagame nandritra ny fivoriana iombonan'ireo firenena avy ao atsinanan'i Afrika (EAC) sy ny SADC tany Dar es Salaam Tanzania ny zoma lasa teo.. Izay izany ny valin-kafatra manoloana ny filazana fa hoe manohana ny mpiokp M23 izay mifandona amin'ny tafika ara-dalàna any RDC i Rwanda. Miha mahazo vahana sy manomboka mifehy faritra any RDC moa ny M23 nanomboka ny volana janoary teo ary ahiana mihitsy ny ahatafidirany any an-drenivohitra. Efa ela ihany izahay no niangavy an'i RDC mba handamina io olana io fa tsy nihaino anay ry zareo hoy i Kagame. Efa tena adim-poko anefa io mitranga io, hoy izy. Mila hajaina ny zon'ireo mponina ireo, hoy izy. Tena i RDC no nanapoaka ny ady fa tsy Rwanda, hoy i Paul Kagame. Mazava ny resaka izany eto fa misy olana izany eo amin'ny mpitondra Congolais sy Rwandais. Ny any RDC milaza fa manampy ny mpiokon'ny M23 i Rwanda, ity farany nanambara fa mila hajaina ny zon'ireo mponina. Tsy misy porofo mazava anefa hoe manampy marina ny M23 i Rwanda na dia efa izany aza no malaza erak'i Afrika. Ny tsara ho fantatra fotsiny dia firenena goavambe i RDC saingy mbola sahirana ara-toekarena ary reraky my karazana ady an-trano kely etsy sy eroa efa ho 30 taona izao. Firenena kelikely kosa i Rwanda saingy tena matanjaka ara-toekarena sy ara-tafika. Firenena niainanadim-pokonsy ady an-trano goavana indrindra taty Afrika, firenena tena mpiady. Tsapa ihany koa fa te hametraka ny maha firenena goavana azy aty Afrika i Rwanda tarihin'i Paul Kagame ka tsy hilefitra mora foana amina fanambarana na fampitandremana Raha ireo firenena ao anatin'ny EAC sy SADC nivory farany teo aloha dia hita ho sahirana ihany handamina io fifandirana eo amin'i RDC sy Rwanda io, izay miray sisin-tany miaraka amin'i Burundi sy Ouganda ary Zambie. Tsy lavitra eo ihany koa i Tanzanie. Ka raha sanatria miha mafy ny fifandirana ka raikitra ny ady dia hampikprontana tanteraka ny faritry ny "grands lacs" sy ny atsinanan'i Afrika io. I Madagasikara moa izao no mitantana ny vondrona SADC ka asa izay fandaminana ara-diplaomatika ho ataon'ny mpitondra malagasy fa dia efa mafana ny toe-draharaha aloha.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT