Any Ivelany

Fanonganam-panjakana tany Mali Vita hatreto ny momba ny filoha IBK


  • Alakamisy 20 Aogositra 2020

Nametra-pialana rehefa tratry ny tsindrin’ireo miaramila mpikomy ny filoha Maliana Ibrahim Boubacar Keita (IBK).

 

 

Noravana ihany koa ny governemanta sy ny antenimieram-pirenena. Raha tsiahivina dia ny talata lasa teo no nisy ny fiakarana tany amin` ny trano fonenan` ny filoha Malianina nataon` ireo andian-tafika ka nosamborina tamin` izany izy. Ankoatra azy dia niaraka tamin` ny praiministra sy ny mpikambana eo anivon` ny governemanta ary ny zanany izay depiote ihany koa. Marihana fa isan` ireo voasambotra ihany koa i Tiabile Driame, minisitry ny raharaham-bahiny izay anisan` ny nanao fampihavam-pirenena sy mpanelanelana teto amintsika nandritra ireny krizy 2009 nandritra ireny. Miantso amin’ny hametrahana tetezamita tantanan’ny sivily izay hikarakara fifidianana ny miaramila.Natsangana ihany koa ny komitim-pirenena ho an’ny fanavotam-bahoaka.Hajaina avokoa ireo fifanarahana iraisam-pirenena, hoy ny miaramila.Vita hatreto izany aloha ny momba ny filoha IBK ary dia hiroso amina fitondrana tetezamita i Mali. Nanameloka avy hatrany ity fandrombaham-pahefana ity ny vondrona Afrikanina.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT