Lehilahy miisa 03 tompon’andraikitra tamina fampitana olona an-tsokosoko miondrana an-tsabokely mihazo ny Nosy Mayotte sy tera-tany Malagasy miisa
27 no voasambotry ny Polily mpiandry sisin-tany any amin’ity Nosy ity ka naverina eto Madagasikara ny talata 27 oktobra teo. Saika hiditra an-tsokosoko tao amin'ny sisin-tanin'ny Mayotte ireo Malagasy 27 ireo raha nianga avy ao amin’ny tapany avaratr’i Madagasikara. Sambokely fantatry ny maro amin’ny anarana hoe « lakoky » no fitaovam-pitanterana niondranan’izy ireo ary maharitra 02 andro teny ambony ranomasina izy ireo. Tsiahivina moa fa 200 km ny elanelana manasaraka an’i Madagasikara sy ny Nosy Mayotte. Rehefa tonga tao amin’ny sisin-tanin’ity Nosy ity anefa ilay sambokely dia tra-tehaky ny Polisy mpiambina ny sisin-tany any an-toerana. Rehefa nosavaina dia Malagasy mpiondrana an-tsokosoko miisa 27 no tra-tehaka, ka ny 07 amin’ireo dia tsy ampy taona avokoa. Samy tsy nanana taratasy ara-dalàna avokoa izy rehetra. Tsy nahitana fiarovana amin’ny loza toy ny « Gilet de sauvetage » ihany koa tao anatin’ilay sambo kely na dia iray monja aza. Nosamborina avy hatrany ny lehilahy miisa 03 izay mpamily ilay sambokely. Vantany vao nigadona teto Madagasikara ireo olona 27 ireo zoma 27 oktobra teo dia nanokatra fanadihadiana ny Polisy eo anivon’ny Service Central des Enquêtes Spécialisées (SCESLFD) etsy Anosy hikarohana ireo tompon’antoka amin’izao fanondranana olona izao. Nandritra ny fanadihadiana dia fantatra fa mpiara-miasa amin’ny tompon’ilay sambokely izy telolahy mpamily efa voasambotra ireo. Avy ao Ambanja sy Nosy Be no fihantsonan’izy ireo ary hanangonany olona hiondrana ho any Mayotte. Fantatra ihany koa fa vola mitentina 2 000.000 Ar hatramin’ny 3.000.000 Ar isan’olona no nalain’izy ireo tamin’ireo olona rehetra izay nentiny ireo. Manodidina ny 20 hatramin’ny 30 eo hatrany no fitondran’izy ireo miampita ary efa fotoana maharitra no nanaovany izany. Mikarama 1.000.000 Ar hatramin’ny 2.000.000 Ar kosa izy 03 lahy isaky ny mahavita mampiampita olona ao Mayotte. Fantatra moa fa fiaraha-miasa mendrika tambazotra mihitsy ity fanondranana olona makany Mayottes ity satria misy ireo trano fandraisam-bahiny voatonona mandray ireo olona ireo. Misy ihany koa ny fiara fitanterana voatonona efa mitaona azy ireo eny amin'ny seranan-tsambo any an-toerana, ary efa misy mandray ihany koa izy ireo rehefa tonga any Mayottes. Mbola mitohy arak’izany ny fanadiadiana mikasika izay mpiray tsikombakomba amin'ireto tovolahy miisa 03 ireto. Raha ny filazan'izy ireo moa dia niainga avy tao Nosy be dzamandjar izy ireo tamin'ity diany ity. Natolotra ny fampanoavana ny alakamisy 29 oktobra ireto tera-tany Malagasy nampodiana ireto ka naiditra am-ponja vonjimaika izy telo lahy ahiana ho anisan'ny tompon'antoka amin'izao raharaha izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.