Any Ivelany

Fanolanana Heloka tsy azo atao raharaham-pihavanana


  • Zoma 06 Novambra 2020

Namoaka fanambarana ny tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny ankizy (UNICEF), manoloana an’ireo trangana fanolanana nisesisesy tato ho ato, izay saika ny ankizy tsy ampy taona no niharany.

 

 

 Niompana indrindra tamin’ny fanentanana ny rehetra handray andraikitra ity fanambarana nataon’ny UNICEF ity, ka hampilaza, na hitory avy hatrany, raha vao mahatsikaritra na miahiahy trangana fanolanana fotsiny. Isan’ny azo antsoina amin’izany ny laharana maitso 147. Azo atao ihany koa ny mampandre ny tompon’andraikitra, ao anatin’ny tranonkala arozaza.mg, na manatona ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona. Ho an’ireo niharan’ny herisetra ara-pananahana kosa dia misokatra ary azo atonina tsara ny CSB sy ireo Centre Vonjy miisa 6 manerana ny Nosy. Nanamarika ihany koa moa ny UNICEF fa heloka ny fanolanana ka tsy azo alamina amin’ny raharaham-pihavanana fa tokony hosaziana amin’ny fehezan-dalàna famaizana mihatra eto Madagasikara.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT