Fankalazana ny Herinandron’i Eoropa

Hasongadina ny tontolo iainana, angovo madio, fampiasam-bola


  • Alatsinainy 19 Mey 2025

Hotanterahina ny 20 ka hatramin’ny 23 mey 2025 eto Madagasikara ny « Herinandron’i Eoropa »,

ho fahatsiarovana ny Fanambarana Schuman natao tamin’ny 9 mey 1950. Ity hetsika ity dia entina hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina, izay sady mpiara-miombon’antoka ara-barotra sy mpampiasa vola lehibe eto amin’ny firenena. Amin’ny alalan’ny tetikady Global Gateway, miaraka amin’ireo firenena mpikambana toa an’i Frantsa sy Alemaina, dia tanterahina amin’ny fomba iombonana antsoina hoe “Équipe Europe” ny fanohanana an’i Madagasikara ho amin’ny fampandrosoana maharitra. Ao anatin’ny fandaharam-potoana dia hisy atrikasa momba ny fanovana ara-toekarena sy ny fepetra miditra amin’ny tsena eoropeanina, lanonana manokana ho an’ireo nahazo vatsim-pianarana Erasmus+, fampirantiana sy fanazavana momba ireo tetikasa tohanan’ny Vondrona Eoropeanina eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ary fankalazana manetriketrika ny faha-75 taona nanambarana an’i Schuman. Ireo hetsika ireo dia natao hanamafisana ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy ara-tsiansa eo amin’i Madagasikara sy i Eoropa. Mifantoka amin’ny tanjona telo lehibe ny hetsika Équipe Europe: ny Pacte Vert ho fiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary, ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina ho an’ny ho avy madio sy maharitra, ary ny fampiasam-bola amin’ny tanora amin’ny alalan’ny fanabeazana sy ny asa ho an’ny taranaka ho avy. Ireo laharam-pahamehana ireo dia singa fototra entina mampandroso an’i Madagasikara amin’ny fomba mirindra sy mitohy.
Asmynah Randriamananjara (Mpiana-draharaha)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT