Miomana hamono ilay mpikarola Suèdo-iranien Ahmadreza Djalali ny Fanjakana Iranianina amin’izao fotoana izao.
Voaheloka ho faty noho ny asa fitsikilovana nataony tany Iran izy io, hoy ny mpiaro ny zon’olombelona. Omaly dia voalaza fa nentina namonjy ny fonjan’I Rajai Shahr izy io, ary hatao haingana ny famonoana, hoy ny Amnesty International. Mandeha ny fifandresen-dahatra amin’ny tsy hamonoana azy. Ny taona 2016 moa i Ahmadreza Djalali no voasambotra, ary voalaza fa ny Israelianina no naniraka azy. Ny herinandro teo dia maty nisy namono i Mohsen Fakhrizadeh Lehiben’ny tetikasa nokleary Iranianina ary i Israel no notondroiny ho tao ambadika, ka asa izay ho fihetsiny momba an’i Ahladreza ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.