Mizotra tsara ny asa fanitarana ny seranan-tsambon'i Toamasina amin'izao fotoana.
Eo am-panatanterahana ny dingana voalohany ny Spat ankehitriny, asa izay haharitra 30 volana. Velaran-tany mirefy 9Ha amina toerana roa samy hafa no totoran'izy ireo ankehitriny hahafahana mamaha ny olana misy. Nitombo 16% ny filantsika eto Madagasikara amin'ny fampiasana ity seranan-tsambo ity kanefa tsy ampy ny halavan'ny “quai”, marivo koa ny rano ary kely ihany koa ny toerana. Fiaraha-miasan'ny fanjakana Malagasy sy ny fanjakana Japoney io efa mandeha ankehitriny io. Any amin'ny taona 2022 anefa vao hanomboka ny azy ny Jica ka ny 411 tapitrisa dolara amin’ny famatsiam-bola mitentina 639 tapitrisa dolara no hatolotr’izy ireo. Averina mandritra ny 40 taona ny vola saingy ny 10 taona ao anatin'izay kosa dia tsy handoavana zana-bola. Efa tamin'ny taona 2005 no nokasaina hatao ny asa fanitarana ity seranan-tsambo ao Toamasina ity. Noho ny disadisa ara-politika nisy teto amintsika tamin'ny taona 2009 anefa dia tamin'ny taona 2014 indray ry zareo Japoney vao niverina ka tamin'ny taona 2015 vao vita ny asa fanavaozana ny fanohizana ny tetikasa. Ny taona 2017 kosa vao niroso tamin'ny fifanarahana ara-bola ny fanjakana Malagasy sy ny fanjakana Japoney raha tamin'ny volana novambra taona 2017 no natao ny fifantenana ireo hanara-maso ny asa. Iray volana taorian'izay kosa no fantatra ny orinasa hanao azy. Marihina fa sambo madinika manana halavana 240 metatra ihany no mbola azo raisina eo amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina, izay mitondra kaontenera miisa 240.000 isan-taona raha atotaly. Efa mahatratra 600.000 kaontera isan-taona kosa anefa izany ho an'ny Nosy rahavavy Maorisy ka aleon'ireo sambo lehibe miantsona any amin'ireo Nosy kely manodidina ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.