Efa miditra tsikelikely mankany amin’ny vakansy lehibe isika ankehitriny na dia mbola amin’ny 14 aogositra ho avy izao aza ny fanadinana CEPE.
Tsy manana fahafahana ny handeha hiala sasatra anefa ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy amin’ny ankapobeny, noho ny hasarotan’ny fiainana sy ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Manodidina ny 600.000 Ar mantsy raha kely ny vola ilaina ho an’ny olona efa-mianaka, izay karaman’olona iray mandritra ny telo volana ho an’ny sasany, mijanona efatra andro ao Toamasina. Mbola mihafihafy aza, raha ny resaka nifanaovana tamina renim-pianakaviana maromaro satria lafolafo ihany koa ny fiainana any an-toerana. Ho an’ireo fianakaviana mpanam-bola indray dia tsy vitsy ireo handeha hiampita ranomasina mandritra ity vakansy lehibe ity. Manodidina ny 10 tapitrisa Ar any ho any raha kely ny vola homanin’izy ireny ho an’olona telo mianaka, miaraka amin’ny fiantsenana sy ny voan-dalana entina mody. Manaporofo ny elanelana misy eo amin’ny fari-piainantsika Malagasy ireo vola ireo vokatry ny fisian’ny fitsinjarana tsy ara-drariny ny harena eto amin’ny firenena. Ilaina ny fialantsasatra mba hahafahan’ny saina miala kely amin’ny mahazatra. Mitaky izany ihany koa ny fahasalamana ka tokony hezahina ihany raha misy ny azo atao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.