Any Ivelany

FANAMBARAN’I ETAZONIA “TSY NISITAKA IZANY NY TAFIKA ROSIANA”


  • Zoma 18 Febroary 2022

Lavin’ny Maison Blanche ny filazan’i Russie fa nanala ny miaramilany tany amin’ny sisin-tany manakaiky an’i Ukraine. Miaramila 7000 no napetraka ary efa tonga any an-toerana ny sasany hanatevin-daharana, hoy ny Bekintana.

 Lazain’ny Amerikanina fa tsy mitombina ny filazan’i Russie fa hitady vahaolana ara-diplaomatika, fa ny mifanohitra amin’izany aza ny fihetsika ataony. Nohamafisin’ny OTAN (Organisation de la Traité de l’Atlantique Nord) izay vovonana ara-tafika sy ara-stratejika fa tsy hita tamin’ny zana-bolana izany fanesoran’ny Rosiana ny miaramilany izany. Omaly, voalaza fa nisy ny fifandonana teo amin’ny tafika Ukrainien sy ireo Pro-Russe ao amin’ity firenena ity satria nahenoana daroka baomba tany Donetsk.
AIRBUS
NAHAZO TOMBOM-BAROTRA 4,2 MILIARA EUROS
Nahatsipaka ny krizin’ny coronavirus ny orinasa mpamokatra fiaramanidina Airbus. Nahazo tombony mihoampampana 4,2 miliara euros ity orinasa ity nandrindra ny taona 2021. Voalaza fa mbola tsy nisy teo amin’ny tantaran’ny Airbus io ka voasokajy ho “record”, ary efa miverina ihany koa ny « versement d’un dividende » 1,5 miliara euros isaky ny « action » taorian’ny fanafoanana azy nandritra ny roa taona. Vokatry ny fahafahana namoaka ireo kaomandy izay efa tena niverina no antony satria namoaka fiaramanidina ara-barotra 611 ny orinasa ny 2021, ary 720 no tanjona ho an’ny 2022, ary mikasa hampiditra mpiasa 6000. Nanafoana asa 15000 tsy nisy fandroahana tanteraka, ary efa miverina amin’ny laoniny ny 10000.
ORAM-BE TANY BRESIL
TAFIAKATRA 104 NY NAMOY NY AINY
Olona 104 raha kely indrindra no namoy ny ainy tany Petropolis any Brésil vokatry ny tondra-drano goavana miseho any an-toerana sy ny fihotsahan’ny tany. Antontan’isa vonjimaika navoakan’ny « Défence civile » any an-toerana io, roa andro taorian’ny oram-be, izay tsy mbola fahita tao anatin’ny 90 taona ny heriny. Isan’ireo tanàn-dehibe mahasarika mpizahatany any amin’ny tapany Atsimo Andrefan’i Brésil moa i Petropolis.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT