Any Ivelany

FANALALAHANA NY FANALAN-JAZA NEKEN’NY LOHOLONA ANY ARGENTINE


  • Alakamisy 31 Desambra 2020

Nankatoavin’ny Kongresy Argentin omaly 30 desambra ny lalàna fanalalahana ny

 

fanalan-jaza an-tsitrapo hatreo amin’ny faha-14 herinandro dia ny IVG (Interruption Volontaire de la Grossesse), izay efa nolanian’ny depiote ny 11 desambra teo. Tao anatin’ny 12 ora ny adihevitra, ary niafara tamin’ny fandaniana, hoy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Cristina Kirchner. 38 no nanaiky, 29 nandà, ary 01 kosa tsy tonga. An’arivony maro ireo mpankasitraka izany no nitotorebika teo anoloan’ny antenimierandoholona omaly. Manodidina ny 300 rahateo ireo fikambanam-behivavy niady mafy ny hanekena ny IVG. 370 000 hatramin’ny 520 000 isan-taona ny fanalan-jaza antsikosoko any Argentine izay misy mponina 44 tapitrisa, ary 38 000 eo ireo vehivavy miditra hopitaly noho izany. Nivondrona teo anoloan’ny antenimierandoholona ihany koa ireo tsy mpankasitraka, toy ny avy amin’ny fiangonana katolika izay manome 62,9% amin’ny mponina ao amin’ity firenena nihavian’ny Papa François ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT