Lehilahy iray, izay mpiasan`ny kaominina an-taonany maro, niditra tao amina trano lehibe iray ka namoaka ny basy tany aminy ary nitifitra tsy nijanona.
Nahita ny zava-nitranga ny polisy ka nitifitra ihany koa ka nahavoa ilay nahavanon-doza izay maty teo no ho eo. Vokany, olona 12 no indray namoy ainy ary 4 no naratra mafy tao Virginia Etazonia. Tsy vao izao no nisy tranga famonona olona tany an-toerana. Raha tsiahivina, ny taona 2007, mpianatra 32 no namoy ny ainy tao amina oniversite tany an-toerana. Firenena saika ahitana trangana fitirirana i Etazonia izay manome vahana ny olom-pirenena hitahiry basy any aminy. Hatramin`ny nanombohan`ny taona, 150 isa ny trangana fifampitifirana tao an-toerana ka nahafatesana olona manodidina ny 6 000 sy naratra olona an-jatony, araka ny tatitra nataon`ny fikambanana iray manao fanadihadiana momba ny fampiasana basy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.